-
Jeremiah 6
- 1 Hianareo, zanak’ i Benjamina, mandosira faingana hiala an’ i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’ afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
- 2 Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin’ ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.
- 3 Ao aminy no alehan’ ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
- 4 Mitaova ianareo hanao ady masìna hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
- 5 Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’ alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
- 6 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’ i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
- 7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
- 8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
- 9 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ ny Isiraely; Avereno ho amin’ ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.
- 10 Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin’ i Jehovah ka tsy ankamaminy.
- 11 Fa ny fahatezeran’ i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin’ ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ ny fiokoan’ ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin’ ny ela niainana koa;
- 12 Ary ho lasan’ ny sasany ny tranony mbamin’ ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin’ ny mponina amin’ ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
- 13 Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
- 14 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
- 15 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’ izay lavo izy, amin’ ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
- 16 Izao no lazain’ i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin’ ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
- 17 Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon’ ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.
- 18 Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
- 19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
- 20 Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin’ ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
- 21 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin’ ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin’ izany ny ray mbamin’ ny zanany; Ho faty ny olona mbamin’ ny namany.
- 22 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin’ ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany;
- 23 Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
- 24 Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
- 25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin’ ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
- 26 Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
- 27 Ho mpizaha toetra ao amin’ ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
- 28 Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
- 29 May ny tafoforana, levon’ ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan’ ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.
- 30 Ataon’ ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin’ i Jehovah.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.
Recent Bulletin Articles
By: G.E. Watkins
The popular children’s song depicts the familiar illustration by Jesus in Matthew 7:24-27 of the Sermon on the Mount. Two men were building houses – a wise man and a foolish man. The difference between them: One heard the teachings of Jesus and did them, while the other heard them, and did not do them (Matt. 7:24, 26). Consider, for a moment, the things that a truly wise man does in building his spiritual house:
The wise man uses
...